Nampiditra : mierimbetso
Daty : 08/07/2013 17:52
Nijery : 2169
Tononkalo: 5 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Rio

RAKOTOARISOA livanirina Andriamahery no anarako, izay nisafidy ny solon'anarana hoe:Rio.36 taona aho ankehitriny manambady ary niteraka roa vavy, tompon'andraikitry ny famokarana eo anivon'ny orin'asa manodina fakon-tsolika no anton-draharahako amin'izao fotoana. Na dia tsy mba nandalina ny sapam-pianarana mahakasika ny haisoratra aza aho dia hatry ny fony zaza kosa dia efa nilomano tanteraka tamin'ny fankafizana ny literatiora malagasy, izay noheveriko fa isan'ny namolavola ny fanahiko hanjary ho mpanara-dia ireo niaina sy nigoka ny mamin'ny haisoratra .Nisy ny fotoana izay nandraisana anjara sy niraisana petsapetsa tao anatin'ny fikambanan'ny Mpanoratra sy Poeta Malagasy, dia ny HAVATSA-UPEM izany, saingy noho ny antony asa aman-draharaha moa dia tsy afa-nanjohy akaiky intsony izany fikambanana izany ny tena; na izany aza anefa dia mbola miredareda, tsy maty vonoina, ny hetaheta ta "hitady ny very", ka handrangaranga izany ho taza-mason'ny taranaka Malagasy!
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/rio
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
mierimbetso ( 10/07/2013 07:35)
Te hitaona sy hanaitra ny hambom-pon'ny Poeta sy Mpanoratra tanora aho mba hiverin-dalana ka hanome lanja indray ilay aingam-panahy Malagasy fehizay, izay mirona kokoa amin'ny fomba fanoratra tatsinanana, ka tsy fehezin'ny tsy maitsin'ny fitsipi-panoratana fa dia malalaka, na amin'ny fanehoan-kevitra na ny drafitry ny fanoratana, ary hanome hasina bebe kokoa ny teny enti-manoratra, fa tsy dia lany ron-doha amin'ny fanenjehana ady rima tsy akory.Diniho anie irony aingam-panahy havoitran'ny mpanao salamo e!Hevero fa tsy lavitra an'ireny ny tena fanahy Malagasy marina...Misy ireo misarika ny sain'ny tanora mba haneho fomba fanoratra mivantana sy mahitsy, izay ambarany hoe tsy variana mievaeva any an-danitra tsy tratra,fa hilaza sy hikalo ny zava-misy marina eo amin'ny fiarahamonina sy fiainana an-davan'andro; kanefa hoy aho hoe: matsiro kokoa, ary misy asa mavesatra any am-po, ho an'ny mpandala marina ny zava-kanto, ilay heverina fa nofinofin'ny poeta sy mpanoratra, ilay heverina fa miriorio sy manidintsidina...
Tsipy teny kely monja ny ahy iny, fa miala tsiny amin'ireo betsimisaina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137