TEO IHANY AHO...! (Ainiasy Luciano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEO IHANY AHO
-Tamin’ilay fotoana omaly hariva-


Teo ihany aho…!
Nijoro, nolalovan’ny mpandalo
Niantsa, nakorain’ny mpikalo
Niandry, nolatsain’ny avelo
…Fa tsy sahy nitalaho


Teo… Toa nivelona amin’ny nofy
Nilaika, nibanjina tsy niherika
Ilay varavarany fafazan’erikerika

Fa tsy nivoha, mainka koa farofy
Hidin’ireo pitik’orana tsy ho hita
Ka tsy nahatsiaro ilay fotoana efa vita -


Efe dify hono izy, nandositra ny lasany
Ny lasany, ny lasanay rehetra
Ireo hira, ireo anjoria sy ny etsetra

Narindriny ny trano, ny fony,ny vatany
Vonto angamba izy, afa-drofy tanteraka,
Lao sy tofoka, tsy te hiasa dia fa reraka


Ka teo ihany aho…!
Nijoro …
Niandry…
Fa tsy sahy nitalaho…
--------
Rohy:
1096 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ainiasy Luciano
Nampiditra : ainiasy
Daty : 20/05/2012 07:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133