Hevitra momba ny Tsy azoko lavina

Hiverina amin'ny Tsy azoko lavina
osrabn ( 23/05/2005 18:26)
Tsara be 'lay tononkalonao. Tena tiako be. Ary angamba raha azo atao dia ataoko famenony ilay tononkaloko mitondra ny lohateny hoe: Tsy noho ianao...
Mahafaly Barson Lahivelo
johan ( 31/05/2005 09:14)
misaotra anao namaky! tsy maninona mihintsy fa azonao atao kah!
zakilinina ( 18/08/2005 16:16)
Sarotra ny mandainga fa kanto ity tononkalo ity. Ny gadona dia tsy haiko kianina fa voapetraka tsara amin'ny toerany avy ny teny tsirairay. Ny rima dia voakaly(indroa miditra isan'andàlana). Misy tokoa ny fiezahana mampiasa voambolana tsy dia fampiasa loatra kanefa tsara toy ny "lamba zandiana", "talaky", "kararavina". Mahay mampiady loko koa ny mpanoratra.
Ny tsininy angaha dia ny fahadisoana tsipelina izay manalefaka kely ny kalitao eny fa na dia vitsy aza izany. Ohatra : "mamin'ny foko" (andal. 2); "an-tampon'Ankatso" (andal.2);"Hany malala" (andal.4);"an-tampon-tanety (andal. 6)"; "tsara tadidy" (andal.10).
Raha fehezina dia omena isa dimy izy ity. Tohizo fa tsara !
minoucsh ( 06/09/2005 13:45)
Tsisy ambara aho eo anatrehan'ny hakanton'ilay asa soratrao, tena tsara!
tohizo fa tsara.
johan ( 12/09/2005 13:07)
misaotra ze namaky eh! de misaotra nanitsy! mazotoa daholo
johan ( 12/09/2005 13:07)
misaotra ze namaky eh! de misaotra nanitsy! mazotoa daholo
pouty5 ( 12/09/2005 14:56)
tiako be le izy, raha mba izaho no misy manoratra toy io an, faly be za.
tohizo foana Johan fa tsara ah!
pissoa ( 04/10/2005 13:07)
tena tsara - tena tsara - ...
tiako be, manomboka amin'ny teny tsirairay ka haramin'ny firafitry ny tononkalo iray manontolo.
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0307