Lehibe Ianao (ANDRIANIMERINA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehibe ianao ry Andriamanitry ny Israely o!
Iza no tahaka Anao?

Efa mba nanaraka ny andriamanitry ny firenenay izahay,
kelimalaza sy ny sampy masina,
nefa nony tamy ianao,
dia lavo ireo ka lao.

Eny, tany Egypta na Babylona,
nisy nanao azy ho zavatra,
nefa nihantsy anao
ka niaiky sy nibabaka.

Impiry izahay no nivadika taminao,
nitady rariny tany an-kafa,
mahery ireny nefa mora lefy,
ary izahay nofaizinao.

Lehibe ianao ry Andriamanitry Abrahama sy Isaka ary Jakoba o!
Zava-poana izao rehetra izao.

Ianao tokoa no ilay "Izy",
Mpahary izao rehetra izao,
tsy miova doria doria,
mpandala ny rariny,
Mpanjakan'ny fiadanana,
Mpiahy ny ory sy ny malahelo,
Mpamaly ny natao,
Miseho amin'izay matoky Anao hatramin'ny fara-fofonainy,
Mahavoalohany ny farany.

Zava-poana izao rehetra izao,
tsy misy toa anao,
izay mivadika aminao dia ho menatra,
Satria ianao no tompon'ny teny farany.

Ry Andriamanitr'Israely o!
mamindrĂ  fo amiko,
Aoka ho tahiana izay mialoka aminao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1700 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANIMERINA
Nampiditra : princelove
Daty : 17/02/2006 11:55
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129