LOZANAO RY FOKO (Bosco)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lozanao ry foko,
Fa mbola sahy mitia,
Mbola sahy ny hiara-dia
Sa mbola mahazaka,
Sa tsy ampy anao ny lasa?

Lozanao ry foko
Fa mbola tia ihany
Angaha ianao io?
Mbola vonona hitomany?

Eh!!! tena lozanao,
Fa isan'andro vak' izao,
Toa tsy mba mety lao,
Ataon'ny hafa kilalao

Lozanao ry foko!
Loza tena loza,
Fa mikendry ny andova
Ilay fitia fahasambarana
Nefa iny vao mitia!!!
Dia tojo fisarahana.

Ka lozanao ry foko,
Raha mbola tia ihany,
Anome fitiavana ny olona eto an-tany,
Fa raha fitiavana heverina ho tsy misy adalàna!!
Angamba any Paradisa vao mety ahitàna.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1162 3
Mpakafy: fanele - joda400 - andrianyako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bosco
Nampiditra : andrianyako
Daty : 20/01/2016 20:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137