****OMEKO ANAO NY VOLANA (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
****OMEKO ANAO NY VOLANA ****

- Tiako ny volana fenomanana hoy ianao.

Dia lasalasa ny saiko.. :
"omeko anao ny VOLANA
halaiko hoanao ny kintana
Satria tsy ny vola no hananako
Tsy harena, tsy volamena...
Fa ny habakabaka no alaiko,
Ka volavolaiko
Hanoratako ny ANARANAO "
saingy hoy ianao: " tssss NOFINOFY 'zany"

mety tsy fantatrao fa feno tsiambaratelo telo ny tononkalo.
Fa tsy vitany teny mababo nafangaro fotsiny..
Fa ireto ny hevitra fonosiny.

NY VOLANA : dia ny foko, izay foiko hoanao.
NY HABAKABAKA : ny tontolontsika
NY KINTANA alin-kisa ny taranantsika hoavy..!!

Azonao..? "
Dia nivaliany tsiky fotsiny.

Doloïer 31/01/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1345 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096