TAO ANATY SORATRAO (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAO ANATY SORATRAO..
(atolotra hoan'i Zazangaly)

Tao anaty soratrao :
Nahitako rano velona mikoriana ambony vatolampy
Nahitako fanahy milomano anaty fahasambarana
Tsy ory havamanana,
satria : manana ny ampy..

Tao anaty soratrao :
Nahitako kalo iray nafenin'ny taona nifandimby
Nasitrikin'ny tany ho lova soa saro-bidy.
Toa nofy iray manjavozavo mikalo zava-marina
Nefa sarotra takarina, tinoratrin'iny fanahy tena lalina

Tao anaty soratrao
Nahitako voninkazo memerovero manitra
Sombintsombin-draozy nararikin'ny lanitra..
Ka teny amin'ny Sahan'ny nofinao no nitsiriany
Jamba vé ny tany no tsy nahalala ny fisiany..?

Tsy t'aiza(... )fa:
Tao anaty soratrao sakaiza
No nahitako ny tena poezia marina (...)

Doloïer
14/03/2018 @10ora 53 m (alina)
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1002 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098