Ampidiro aloha ny tenimiafina
HITIA ANAO (Domoina Ratovozanany)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handao izay rehetra mamikoHiarahana aminao,
Hanokana ny hoaviko
Hahasambatra anao,
Izay talenta, soa ananako,
Omeko, afoiko daholo !
Ny aiko sy ny fitiavako
Ho anao manontolo…
Na ho mamy na hangidy,
N’inon’inona hanjo ahy,
Hitia anao ry sarobidy,
No voadiko mandrakizay !
Ny foko tia, tena tia,
Nifidy anao ho anjarany.
Hatramin’izao ka ho doria,
Hitia anao hatramin’ny farany…
Domoina Ratovozanany, 2004
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
harinandrasana
Hevitra mandeha
Kev
(
24/05/2008 05:29)
Tena mahafinaritra be mihitsy ilay izy ry Domoina a! Tohizo fa tsara!
mimi12
(
04/11/2010 22:57)
.... Sambatra ilay ..."sujet d'inspiration"... manja be ilay izy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Domoina RatovozananyNampiditra : harinandrasana
Daty : 30/01/2007 19:54
