IFONAKO (Douces Pensées)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ifonako aminao ny masoko
Tsy mahay raha tsy mijery anao
Ifonako aminao ny oroko
Mankafy ilay fofonao
Ifonako aminao ny molotro
Tsy leo manoroka anao
Ifonako aminao ny tanako
Tia mamihina anao, mandray ny tananao
Ifonako aminao ny tongotro
Te hanatona anao
Ifonako aminao ny vatako
Izay malemy rehefa eo anilanao
Ifonako aminao satria
Ny foko adala anao...

13/12/2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
954 0
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 10/05/2013 19:34)
Oh ! Ohatran'ny efa hitako tany ho any ity an 😊
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Douces Pensées
Nampiditra : doucepens
Daty : 21/01/2013 10:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136