TIAKO (Douces Pensées)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO

Tiako ny mihaino anao
Manonona ny anarako
Tiako ny mihaino anao
Hoe liana ny amin’ny tantarako.

Tiako ny mahita anao
Mahatsikaritra fiovana ety amiko,
Tiako ny mahita anao
Mitsiky rehefa mijery ireto masoko.

Tiako rehefa miteny ianao
Hoe malahelo ahy,
Tiako rehefa miteny ianao,
Hoe “eto aho fa aza manahy”.

Tiako rehefa raisinao ny tanako
Fa ilaiko ny anilanao
Tiako rehefa safoinao ny tavako,
Sady miteny oe “Izaho koa tia anao”.

27/12/2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
829 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Douces Pensées
Nampiditra : doucepens
Daty : 21/01/2013 10:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143