Tiako enao ry Tanindrazako (Dovan Andrian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako enao ry Tanindrazako,

Na potehina simbaina,
Na ravana sy ratraina,
Na lotoina ka zimbaina
Eny, na dia simba karakaina!

Na ranomaso sy tomany,
Na tabataba sesilany,
Na mandohalika amin'ny tany,
Fa ny ahy, dia enao irery ihany

Fa hitempo anao ny foko,
Na alehelo sy toloko,
tsy misy hafa hasoloko,
ka tsy hangina izany molotro

Fa any andro iray angamba,
Hiovan'ny tantara,
K'izaho mihintsy no hanambara,
Fa tena hafa, i Gasikara

Eny, tiako enao ry Tanindrazako....

Dovan Andrian

21/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1020 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dovan Andrian
Nampiditra : dovan_aina
Daty : 21/10/2015 04:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021