Hevitra momba ny Vetsovetso amoron-dranomasina

Hiverina amin'ny Vetsovetso amoron-dranomasina
NyKanto ( 13/04/2005 15:03)
Efa niainako ilay fahatsiarovana
Amoron'ny riakan'ny fo torovana
F'Iny ranomasina iny tsy miato
Mamohafoha ireo miafina ao anaty.

Ny Kanto.

Mankasitraka ny sanganasanao!
andriary ( 14/04/2005 12:28)
Manana aingam-panahy momba ny ranomasina aho fa tsy mbola vita tonokalo toy ny anao ity!misy tsiambaratelo ao ary mampianatra ahy hitia lay tiako!...
Fa tantara mahakasika ranomasina no efa nosoratako!
mampisento!
tonga soa ato amin'ny tonokalo ianao coline!
coline ( 14/04/2005 22:23)
Misaotra an'ny Ny Kanto sy Andriary...
dia mirary soa ho an'ny mpivetso rehetra.

Coline
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089