Hanoratra aho (Fanhaiky)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra aho mba hizaraIzay rehetra azoko ambara
na ny ratsy na ny soa
dia mbola ho vetsoiko ihany koa
hanoratra mba hankato
lay misterin’ny haisoratra
dia ilay mitoetra tsy ho lo
fa hijanona ho soratra
hanoratra aho mba hamboraka
ireo tebiteby ato anaty
hanoratra mangina tsy hihorakoraka
fa hamoaka an-tsoratra ireo izay tsy tanty
eny ho soratro izany, ho soratro ihany
mba hahatsiarovanao fa hay koa
misy namana any ho any
dia ilay Fanhaiky sary mitomany
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy