SATRIA NAMAKO IANAO (Fanhaiky)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no tara-masoandro vaovao,Nitondra hazavana ao anatiko ao,
Izaho izay tanaty haizim-pahakiviana,
Nefa nasandratrao ho @ hafaliana
Eh, soa aho fa nahalala anao
Ianao tokoa no nitondra tontolo vaovao
Aina nahalena ny tany efa maina
Ka nampitsiry indray ny efa ambivitr'aina
Ataoko hoe: rivotra malefaka
Nampitraka indray ty foko efa ketraka
Ny hany mba avaliko, dia tsotra
Fisaorana anaty, tsy atendromolotra
FANHAIKY
Am-pitiavana be foana
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka