ADY AN-TRANO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY AN-TRANO




Jereo ny firenena
fa mampahonena,
mampivarahontsana
no nahontsankontsana,
ka tonga ady an-trano
nidiran’ny angano !



Samy Malagasy
dia nisy poa-basy,
nisy rà mandriaka
fa leon’ny politika ;
leon’ny zava-mafy
sy ny mbola hihafy.



Mpiray tanindrazana
dia ady re no tazana,
fa ny fandeferana
na izay fiheverana
ho an’ity vahoaka
tsisy mba nivoaka !



Mpiray Nosy ihany
dia nifamely izany,
fa izay fihavanana
tokony ho notànana
nivadika ho fahoriana
sy tototra hakiviana.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1239 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 08/02/2009 23:52
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0469