AIZA IANAO, RY TANINDRAZAKO ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA IANAO, RY TANINDRAZAKO ?




Aiza ianao, ry tanindrazako,
fa malahelo ange ny foko ?
Lanitra hafa no mba tazako
sy raho-mainty mitsitoko.



Aiza ianao, ry tanindrazako,
fa manimanina aho izany ?
Ao aminao no fahombiazako,
mandra-pialako eto an-tany.




Aiza ianao, ry tanindrazako,
fa vahiny aho indraindray ?
Maro be no tsy ho voalazako
ny sento lava hatramin'izay.




Aiza ianao, ry tanindrazako,
fa anjara lova mandramaty ?
Satry foana ny hofafazako
ny firariana avy ao anaty.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1205 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 27/09/2014 18:32
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0189