AKAIKINAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKAIKINAO





Akaikinao,
akaiky ny foko
ka anjakao
ho lavi-toloko.




Akaikinao,
akaiky ny tiana
ka ivavaho
ho be fitahiana.




Akaikinao,
akaiky ny nofy
ka hazavao
mba tsy ho rofy.




Akaikinao,
akaiky ny tsiky,
feno lalao
fa tsy dikidiky.




Fedy JAOFERA
--------
Lien:
1053 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122