ALAHADY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAHADYNy andro alahady
dia androm-piderana
an'ny Ray mitady
antsika ka tsy ialana.
Ny andro alahady
dia andro ivavahana
tsy ho resy an'ady
rehefa be mibahana.
Ny andro alahady
dia androm-pitoniana
sarobidy no sady
hajaina am-pitokiana.
Ny andro alahady
dia andro masina eto
mbola vavahady
ho an'ny Lanitra, raketo !
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
