Ampidiro aloha ny tenimiafina
Amiko ny zanaka (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko ny zanaka dia tiako noho ny tiakoFa aina avy amin’ny aiko sy soa efa niriko ;
Amiko ny zanaka dia harena tsy hay soloina
Hikirizako isan’andro fa dimby ka koloina ;
Amiko ny zanaka dia tena adidy iray goavana
Tsy ilana fahakiviana fa ekena am-pitiavana;
Amiko ny zanaka dia hasambaran-dray sy reny,
Mainka moa ra’hendry sy milofo foana ombieny;
Amiko ny zanaka dia mbola andry fianteherana
Rehefa reraka sy osa na mba tojo fahanterana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fianakaviana
Mpakafy:
Analefara
