AMIN'NY FO RAVORAVO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY FO RAVORAVO




Amin'ny fo ravoravo
no ahitana fitoniana,
na dia manjavozavo
'zay mbola faniriana.



Amin'ny fo ravoravo
no etezan'ny taona,
na dia mba tanavo
eto mandavataona.



Amin'ny fo ravoravo
no ipoiran'ny rindra,
na dia be mandavo,
hoy aho indrindra.



Amin'ny fo ravoravo
no ivoizan'ny tsara
ka isaorana ny Avo
fa tsy tia mandrara.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
265 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011