ANDROANY (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDROANY





Androany, niserana
'lay endrikao taloha
ka nahabe fitserana,
na vetivety aza moa.




Androany, nitosaka
'reo ora nisentoana
ka tsy afa-niposaka
ny vazom-piravoana.




Androany, nibahana
'lay onjam-pitiavana
tsy mba nivavahana
na isan'ny finiavana.




Androany, nivolana
ny aingan'ny fahiny
rakotra ohabolana
sy any ankehitriny.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
510 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135