ANKAFIZO NY FETINAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKAFIZO NY FETINAOAnkafizo ny fetinao
fa androm-pifaliana
mitory fiainam-bao,
mandroso fitahiana.
Ankafizo ny fetinao
fa nitombo taona re,
fenoy tsiky sy lalao
ho hasambaram-be.
Ankafizo ny fetinao
fa mahafinaritra eto
mandihiza, anjakao
ny sehatra hatreto.
Ankafizo ny fetinao
fa manan-kazavana
ka ny sento, avelao
ho soa ny fiafarana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
