ANTARANOANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTARANOANA





Antaranoana
ny fitiavako anao,
na ho moana
'zao rehetra izao.




Antaranoana
ny voady nomena,
na ho foana
ny foko nekena.




Antaranoana
ny hiray fanahy,
na ho noana
'reo izay nanahy.




Antaranoana
ny hifampitantana,
na ahoana,
matoa re soratana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
579 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0396