AO AM-POKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO AM-POKO




Ao am-poko no matory
'reo nofinofy tsy tanteraka,
miteny lava hoe : izory
rehefa mila ho reradreraka.



Ao am-poko no mitoetra
'reo hetaheta be fiadanana,
satry foana ho tarigetra
mandra-pisy izay ho hananana.



Ao am-poko no mikalo
'lay fitia tsy nanam-bintana,
tsy niriko ny hampimalo
fa hanazava toy ny kintana.



Ao am-poko no mijaly
'reo hantahanta toa tsy very,
satry foana sy miangaly
ny andro maro takom-pery.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/03/2011 21:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173