AVY AMINY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVY AMINY





Avy amin'ny foko
ho an'ny fonao
ilay fitia misoko
hita mihavao.




Avy amin'ny saiko
ho an'ny sainao
ny tsiaro lazaiko
nisy tao ho ao.




Avy amin'ny tiako
ho an'ny tianao
ny tena faniriako
ka dia anjakao.




Avy amin'ny tokiko
ho an'ny tokinao
raha nisy ny bokiko
nifamahofaho !...





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
39 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/07/2026 13:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114