AZA AMIDY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AMIDY





Aza amidy i Gasikara
fa lovantsika etoana,
mba satry re ambara,
na tsisy fandrosoana.




Aza amidy i Gasikara
fa nosy mahafinaritra
hajaina fa efa anjara,
na toa voafariparitra.




Aza amidy i Gasikara
fa be harena ombieny,
na tsy ampy karakara
ho antsika lavareny.




Aza amidy i Gasikara
fa tany masina tokoa
tsy natao hampizara
fa hampiray eto koa.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
856 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2621