AZOKO INOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZOKO INOANA




Rehefa ianao no be fahavalo,
azoko inoana fa olona ambony
manana saina tsy mety atakalo
tonga fialonana tsy hita intsony !




Rehefa ianao no be mpankahala,
azoko inoana fa mba olona tsara
tobaka soa toa tsy manan-tsahala
tsy mahafaly an ‘reo diso anjara !




Rehefa ianao no be mpanaratsy,
azoko inoana fa olona tsotra
mbola lazaina manana vatsy
no aposako sy mipololotra !




Rehefa ianao no be mpanambany,
azoko inoana fa olona hendry
manana tanjaka iray sesilany,
tsy ho todin’izay te hikendry !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1034 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123