EO ANATREHANAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EO ANATREHANAOEo anatrehanao
no ahitako fiadanana
ka avia, anjakao
ny foko nosakanana.
Eo anatrehanao
no ahitako torimaso,
ny lasa re, ialao
fa mitady ranomaso.
Eo anatrehanao
no ahitako hafanana,
hirahira na lalao
mbola mahatamana.
Eo anatrehanao
no ahitako fitiavana,
ny sento, fafao
hiova fahasoavana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
