Ampidiro aloha ny tenimiafina
FAHALEOVANTENA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHALEOVANTENANy fahaleovantena
dia soatoavina
sarotra omena
ka aza lavina.
Ny fahaleovantena
dia zo sarobidy
tsy azo hosena
sy feno adidy !
Ny fahaleovantena
dia sorona iray
tsy hampihena
ny hery voaray.
Ny fahaleovantena
dia fandrosoana
mivoy fanekena
sy fanompoana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
fananarana - Fiaraha-monina - Tanindrazana - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
