FAMBARA ORANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMBARA ORANA




Fambara orana
ny kotroka miraona,
fo mangorangorana
no manjary mitaona.



Fambara orana
hanakotsa ny tany
tsy hita hanolorana
izay tsiky eny izany.



Fambara orana
hiaina ato an-trano
tsy azo anasorana
ny sento ka tazano.



Fambara orana
handefa eritreritra,
ny sedra nizorana
dia hanova hevitra.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.024