Ampidiro aloha ny tenimiafina
FANANTENAKO (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANANTENAKOIanao no fanantenako
inoana ange hahitako
ny tena hasambarana
inty manarangarana.
Ianao no fanantenako
mbola eto hahalalako
ny tena fitiavana tiana
hitondra ireo fifaliana.
Ianao no fanantenako
mbola ho fahazavako
amin'izay efa kasaina
vao tonga ny maraina.
Ianao no fanantenako
ka, sanatria, ny ialako
fa ilay tokana marina
tsy foy rehefa itarina.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
