FANAOKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANAOKO





Fanaoko ny mivavaka
vao tonga ny maraina
tsy ho any an-davaka
ny adidy izay efaina.




Fanaoko ny misaotra
ny zava-tsoa nomena
fa tsy mpanararaotra
na toa olona tia tena.




Fanaoko ny mandika
ny teny izay voavaky
fa satriko hanjopiaka
sy mba hiasa malaky.




Fanaoko ny mamboly
ny tsara tian'ny maro
fa eny lava ny devoly
manimba ka fantaro.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1008 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111