Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fetin'ny reny (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tonga ny fetin’ny reny,Satriko ny hangina ombieny,
Satriko ny ho singan’irery
Ho olona tsy manam-pijery;
Satriko ny hivetso ao anaty
Ny senton-dreny efa maty.
Raha tonga ny fetin’ny reny,
Satriko ny tsy hanam-piteny,
Satriko ny hitoba-piadanana
Tahaka an’ireo mbola manana;
Satriko ny hikaroka ny ahy,
Na any sy efa lasa fanahy.
Raha tonga ny fetin’ny reny,
Satriko ny hizotra eny ho eny,
Satriko ny hitady ny anjarako
Hitondra ireo fahasambarako;
Satriko ny hanolotra ho azy
Raozy mena fa tsy vazivazy.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fety - Fianakaviana
