FIERENANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIERENANA





Raha mbola fierenana
no mahamaika azy ireo
dia tsy hisy fanarenana
ny tanintsika ka vonjeo.




Raha mbola fierenana
no ilofosany isan'andro,
tsy ho hainy ambenana
ny krizy be antoandro.




Raha mbola fierenana
no asa foana ifotorana
dia tsy hisy fiverenana
'zay very mahatorana.




Raha mbola fierenana
no isasaram-pahefana
dia sarotra tampenana
ny lesoka niaingana !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1031 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117