FILAFILA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FILAFILA




Ny itiavako foana hatrany
anao, izany havako izany
dia tsy inona f'ireo filafila
nampiady nilaza tsy mila !



Tsy tiako kanefa tsy foiko,
tsy tanty kanefa misoko,
tsy mety kanefa raketo
fa 'zay no ananana eto.



Tsy miova kanefa zakaina,
tsy mamy kanefa lanjaina,
tsy tsara kanefa nekeko
f'ianao no mba volameko.



Tsy dina kanefa tadidy,
tsy tery kanefa efa didy,
tsy voady kanefa tsy lany
'reo fila misisika ihany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1206 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117