FISAKA NY RARINY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISAKA NY RARINY





Fisaka ny rariny
ka saro-tadiavina 
fa loza ny mariny
raha toa nolavina.




Fisaka ny rariny
ka nofotopotorina
fa mbola tsy ariny
ny efa mafy orina.




Fisaka ny rariny
ka nohamaivanina
fa efa namboariny
mba ho valalanina.




Fisaka ny rariny
ka takontakonana
tsy hisy ny sariny
eny am-bovonana.




Fredy JAOFERA
.
--------
Lien:
929 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115