FOANA MANGINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOANA MANGINA




Foana mangina
ny fangirifiriana
nony nisy nitia
ny fo, matokia.



Foana mangina
izany fanahiana
nisinda tsy tana
toy ny nofafana.



Foana mangina
irony fanaviana
izay nanahirana
fony tsy mirana.



Foana mangina
ilay fahakiviana
ka hasambarana
no efa isantarana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
394 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0226