HAZAKAZAKA AMBANY FARAFARA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAZAKAZAKA AMBANY FARAFARA






Hazakazaka ambany farafara
ka samy manezaka amin’izay ho afany,
ny olon-drehetra voazarazara
amin’izao ady mila ho tsisy farany !



Hazakazaka ambany farafara
ka samy mifofotra amin’izay ho vitany
ny maro mikatsaka anjara
hanova eto kosa ny tena mba vintany !



Hazakazaka ambany farafara
ka samy manao amin’izay ho tratrany
ny tia firenena, na efa voarara,
tsy hampitombo indray itony ratrany !



Hazakazaka ambany farafara
ka samy miasa amin’izay ho takany
ny mitondra, na efa nambara
fa ela dia ela vao hisosa ny lakany.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - fiainana
1575 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119