HERINANDRO VAOVAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HERINANDRO VAOVAO




Herinandro vaovao
no tonga eto izao,
asio vavaka aloha
mba hitondra soa.



Herinandro vaovao
no miseho aminao,
amohazy hafaliana
fa dia hahavariana.



Herinandro vaovao
no miroso, anjakao
fa be ny andraikitra
tsaroana miraikitra.



Herinandro vaovao
no misy, ampiasao
ho tontosa daholo
ny asa manontolo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
262 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115