HERIN'NY TOKANTRANO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny haja sy ny fitiavana
No andry tsy ilana fandavana ;
Ny ady sy ny fitiavana
No toky kendreho hampihavana ;
Ny vola sy ny fitiavana
No jiro ataovy mitandavana ;
Ny vady sy ny fitiavana
No harena miampy fahasoavana ;
Ny ezaka sy ny fitiavana
No ahavitana zavatra goavana.


Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy
3187 0
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 09/05/2007 14:36)
Lafatra loatra
misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.023