HO INONA ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO INONA ?




Ho inona ny fiainako
tsy mba manana anao ?
Hiova ve ny tarainako
sa dia tsy hita handao ?




Ho inona ny androko
raha ianao tsy anjara ?
Moa ny masoandroko
mba hihiratra tsara ?




Ho inona ny orako
raha ianao tsy mitia ?
Moa ho voaborako
'reo ilaina hifangia ?




Ho inona ny lalana
raha ianao tsy mifaly ?
Moa ve ho mahalana 
izay irina ho voangaly ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
902 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0211