Ampidiro aloha ny tenimiafina
HO RESINAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO RESINAOHo resinao ny ady
atrehina isan'andro
rehefa tia mitandro
ny vavaka sahady.
Ho resinao ny jaly
manelingelin-dava
rehefa io mandrava
ny ratran'ny omaly.
Ho resinao ny rofy
mitari-paharesena
rehefa hay volena
no toky fa tsy nofy.
Ho resinao ny lasa
zakaina mangingina
rehefa am-pitoniana
no miaiky sy miasa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
