HONOHONO, AHOANA ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HONOHONO, AHOANA ?






Honohono, ahoana
ny tebiteby iainana ?
Hafahafa ity mitaona
ka mahabe fisainana.



Honohono,ahoana
ny tifitra nandeha ?
Miteniteny foana,
mahakivy izany re.



Honohono, ahoana
ny nifanjevo omaly ?
Be no maty noana
ny mponina mijaly.



Honohono, ahoana
ny hitaky fanovana ?
Topazo fa mivoana
ny atao hoe : lalàna.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/11/2010 17:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016