HOROHORON-TANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOROHORON-TANY





Horohoron-tany,
horohoron-doza,
tsy mivozavoza
misy ao ambany.




Horohoron-tany,
horohoron-trano
efa tena angano
mbola re ihany.




Horohoron-tany,
horohoron-tory
toa manorisory
rehefa injany.




Horohoron-tany,
horohoro marina,
toa nahafarina,
na efa nialany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
986 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0191