ILAY.. (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY...




Ilay fitia
manambatra antsika,
matokia
fa izay, mahasariaka.



Ilay toky
manambatra antsika,
mamoky
tontolo manjopiaka.



Ilay voady
manambatra antsika,
tsy mitady
ranomaso mandriaka.



Ilay jaly
manambatra antsika,
mamaly
soa mba hampikiaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
393 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121