IO FITIAVANA IO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO FITIAVANA IO






Io fitiavana io,
hoy aho anio,
no hazavana
efa anjakana.




Io fitiavana io,
antoka madio
ho ny fifaliana
izay iadidiana.




Io fitiavana io,
mbola tadidio
no mampitony
irony jaly irony.




Io fitiavana io,
mamy ka asio
toky eny foana
ho ara-potoana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/05/2026 21:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116