ISAKY NY TONGA NY MARAINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAKY NY TONGA NY MARAINA





Isaky ny tonga ny maraina
dia mivavaka aho vetivety
ho antsika ka tsy malaina
hisakelika foana ny mety.




Isaky ny tonga ny maraina
dia endrika sariaka no hita
mamiratra ahy, mampiaina
ny asa maro tiana ho vita.




Isaky ny tonga ny maraina
dia havaoziko ilay fitiavana
izay anio mbola antenaina
hiroborobo tomandavana.




Isaky ny tonga ny maraina
dia fahombiazana no zotra,
na inona no zavatra efaina
ho fihobiana raha mitsotra.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
24 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 21/07/2026 23:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116