IZY ROA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY ROA Ny fanginana
sy ny fotoana
no anankinana
ny fiainana foana.
Ny fanginana
sy ny fotoana
no andaminana
ny ora fa tsy moana.
Ny fanginana
sy ny fotoana
no amintinana
ny misy manoloana.
Ny fanginana
sy ny fotoana
no anambinana
ny tiako, na ahoana ?
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: