KIRIN'ADALA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KIRIN’ADALA






Kirin’adala
no nahatratrarana
ny zava-drehetra,
fa tsy ny nahalala
‘zay amaharana
tsy misy fetra.



Kirin’adala
no nahatongavana
tahaka an’izao,
fa tsy ny miala
rehefa goavana
ny tokony hatao.



Kirin’adala
no efa nahazoana
ny soa sy ny tsara,
fa tsy hoe nijoala
ny hery tsaroana
ho nanam-piafara.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - fiainana
1164 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/10/2009 21:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145