LANJAIKO (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LANJAIKONataoko ny hiadam-pinaritra,
tsy hitodika ny andro taloha
kanefa dia mbola namaritra
ny alahelo nanakotsa ny fo.
Aiza eto no misy andro iray
tsy hisainako zava-tsy tanty
fa matetika no mbola mivay
sy tsaroana ireo nanabanty ?
Ekeko fa mbola mamiratra
iny alina izay manopy jaky
kanefa na eto toa mihiratra,
ny sento no tonga malaky.
Rahoviana no tsy ho saiko
'reo sedra toa saro-baliana
fa anio izao mbola lanjaiko
'reny ora tsy zaka mangina ?
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
ahy - Fiononana - embona - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy
Fans:
tafinay
